Psalms 92

Fifaliana amin’ Andriamanitra noho ny asany sy ny fitsarany marina

Salamo. Tonon-kira hatao amin’ ny andro Sabata.

1

2Tsara ny hidera an’ i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô, 3Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina, 4Amin’ ny valiha tory folo Sy amin’ ny feon-dokanga. 5Fa ampifalinao amin’ ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan’ ny tananao no hihobiako. 6Jehovah ô, akory ny halehiben’ ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao. 7Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala. 8Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay. 9Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay. 10Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra. 11Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an’ ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho. 12Ary faly ny masoko mahita ny amin’ ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy. 13Ny marina hamololona tahaka ny rofia
palma.
; Hisandrahaka
Heb Ho tonga lehibe.
tahaka ny sedera any Libanona izy;
14Efa nambolena tao an-tranon’ i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan’ Andriamanitsika; 15Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy, 16Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
Copyright information for Mg1865